Litera F

A B D E F G H I J K L M N O P R S T V Z
Fanabatabana: (tabataba) a. : Fanairana amin' ny horakoraka na kotaba; fanelingelenana; fanakorontanana. tohiny
Fanabe: (be) a. : Fomba entina manabe, izany hoe manolokolo toetra tsara ao amin' ny zaza mba hahatonga azY…tohiny
Fanabeazana: (be) a. : Fanolokoloana ny zaza mba hanomezana azy toetra tsara ka hahatonga azy ho lehibe, ho olom-banona…tohiny
Fanabehambehanana: (behambehana) a. : Fanasabakana (ny sandry na ny tongotra) mba hanakantsakanana ny hafa. tohiny
Fanabiriohana: (birioka) a. : Familiana any amin' ny tsy tokony ho izy. tohiny
Fanabisiohana: (bisioka) a. : Familiana (zavatra) mba hihataka. tohiny
Fanaboaboana: (aboabo) a. : Fanavoavoana, fananoanoana. ? Fifaliana, firavoravoan' ny miaramila na manamboninahitra…tohiny
Fanaboboboboana: (bobobobo) a. : Fanitrihana ao anaty rano; fampanenoana anjombona atao mibobobobo. tohiny
Fanabobohana: (boboka) a. : Famontosan-drano, fampisotroana tafahoatra, fanaovana izay hahaleo. tohiny
Fanabodana: (boda) a. : Fanaovana izay hahaboda, hahalemy. tohiny
Fanabodehana: (bodika) a. : Fampisafotofotoana, fanodinkodinan-kevitra amin' ny teny atao. tohiny
Fanabodoana: (bodo) a. : Fakana ka fitanana vadin' olona. tohiny
Fanabohafana: (bohaka) a.: Fanabontsinana ho ngeza. tohiny
Fanabokana: (boka) a. : Fanaratsiana, fanambaniana, fanamavoana : Loza ny fanabokan'ny mpialona ny zavatsoa eny…tohiny
Fanabokirana: (bokitra) a.: Fanaovana izay hampivohitra. tohiny
Fanabolilana: (bolila) a. : Fampibolisarana, fampilefana, fampiporitsahana. tohiny
Fanaboniana: (abony) a. : Fanolikolena, famitahana olona amin'ny teny mamy na tambitamby; fanabosiana, fanabontsinana,…tohiny
Fanabonohana: (bonoka) a. : Fanaronan-damba olona ao am-pandriana mba hafana. tohiny
Fanabonoka: (bonoka) a. :Fomba entina manabonoka, manaron-damba olona ao ampandriana mba hafana. tohiny
Fanabontanana: (bontana) a. Fanaovana ny taovolo bontana. tohiny
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0747