Litera F
Fiadokadoka: (adokadoka) a.: Fomban'ny olona mirehareha, midihindihina, miedinedina.
tohiny
Fiadonadona: (adonadona) a.: Fiavonavona, firehareha, fieboebo aseho amin'ny fihetsika.
tohiny
Fiadonadonana: (adonadona) a,: Fiavonavonana, fireharehana, fieboeboana aseho amin'ny fihetsika.
tohiny
Fiady: (ady) a.: Fomba entina miady: Hafahafa ny fiadin' ity akoholahy ity, Tokony hiadiana: Ady fiady mihitsy…tohiny
Fiafarana: (fora) a.: Farany, tendrony: Ny fahafatesana no fiafaran'ny zauamananaina rehetra,
tohiny
Fiafatrafarana: (afatrafatra) a.: Fitomaniana miharo kiakiaka ary miaraka amin'ny fihetsika miankapokapoka.
tohiny
Fiafatrafatra: (afatrafatra) a.: Fitomany miharo kiakiaka sy fihetsika miankapokapoka; fomban'ny olona miafatrafatra.…tohiny
Fiafia: a.: Aretina mampitaintaina amin'ny lalan-drano ka mahatonga tsy afaka mivalan-drano. ¶ M.h,: Vato. tohiny
Fiafokafohana: (afokafoka) a.: Hatezerana mitroatra; fisafoahana, fitroarana.
tohiny
Fiafokafoka: (afokafoka) o.: Fomban'ny olona miafokafoka, izany hoe tezitra misamonthra; fisafoaka; fitroatra.
tohiny
Fiafonafona: (afonafona) a,: Fomban'ny olona miafonafona, izany hoe romotry ny hatezerana.
tohiny
Fiafonafonana: (afonafona) a,: Haromotana, fisamonterana,
tohiny
Fiahanahanana: (ahana) a.: Fisalasalana, fiatoatoana matetika.
tohiny
Fiahiahiana: (ahiahy) a.: Fiheverana olona iray ho tsy dia tsara loatra, ka misy antony ihany inahatonga izany. tohiny