Litera F
Fisikinana: (sikina) a.: Fanaovana sikina, famehezana lamba manodidina ny valahana: Tsy zava-tsarotra akory ny fisikinana,…tohiny
Fisilahana: (silaka) a.: Fiendahana, fihelahana.
tohiny
Fisilantsilana: (silantsilana) a.: Toetran'ny olona misilantsilana, mipelipelika, mihetsiketsika noho ny hajejoana.…tohiny
Fisilantsilanana: (silantsilana) a.: Fipelipelehana, fihetsiketsehana noho ny hajejoana na ny hajefena.
tohiny
Fisilarana: (silatra) a.: Fisiana dimbana kely.
tohiny
Fisilisiliana: (silisily) a.: Fitsitsiana mihoa-pampana, fahihirana.
tohiny
Fisilisily: (silisily) a,: Toetran' ny olona mahihitra, kahidy.
tohiny
Fisimahana: (simaka) a,: Fitsoahana, fiendahana.
tohiny
Fisindahana: (sindaka) a.: Fihatahana amin'ny maro, fitokanana, fiolonolonana.
tohiny