Litera F

A B D E F G H I J K L M N O P R S T V Z
Fisamoimoina: (samoimoina) a.: Toetran'ny zavatra misamoimoina, mamoaka feo mimonomonona. tohiny
Fisamoimoinana: (samoimoina) a.: Famoahana feo mimonomonona; fimonomononana. tohiny
Fisamonina: (samonina) a.: Fomba entina misamonina, mimonomonona: Ny fisamonin'ny renitantely. tohiny
Fisamonterana: (samon titra) a.: Fahatezerana misafoaka, havinirana, fitroaran-katezerana. tohiny
Fisamontitra: (samontitra) a.: Toetran'ny olona misamontitra, misafoaka, mitroatrankatezerana. tohiny
Fisampazana: na Fisampiana (sampy) a.: Fisaviliana eny am-bozona; fanarahana sampan-dalana, tohiny
Fisampotenana: (sampotina) a.: Fisafotofotoana, fisaritahana; fisangodinana, fitambolimbolenana. tohiny
Fisampotina: (sampotina) a.: Toetran'ny zavatra misampotina , misangodingodina, mitambolimbolina. tohiny
Fisampy: (sampy) a.: Toetran' ny zavatra misampy; misavily eny an-damosina. tohiny
Fisanaka: (sanaka) a.: Fomban' ny vava misanaka na misokatra be toy ny an'ny adaladala gaga miiery zavatra mahavariana…tohiny
Fisanasana: (sanasana) a.: Toetran'ny vava misanasana na misokatra be, mitanatana toy ny hanaikitra. tohiny
Fisanasanana: (sanasana) a.: Fisokafana tanteraka (vava) fitanatanana toy ny hanaikitra: Ny fisanasanan'ny vavan'ilay…tohiny
Fisandana: (sonda) a.: Fanomezana sandany, na fanampiny amboniny amin'ny varotra. tohiny
Fisandohana: (sandoka) a.: Filazana tena ho izao na izao: Betsaka ny olon-dratsy no tratra noho ny fisandohany ho…tohiny
Fisandoka: (sandoka) a.: Fomba entina misandoka, izany hoe milaza ny tena ho izao na izao na mihambo ho tompon'ny…tohiny
Fisandrahaka: (sandrahaka) a.: Firantsandrantsanana, fisampantsampanana, fivelaran'ny rantsana betsaka: Mahafinaritra…tohiny
Fisandratra: na Fisandratana (sandratra) a.: Fiakarana, fianihana amin'ny toerana avo, fisondrotana: Mahafinaritra…tohiny
Fisanehaka: (sanehaka) a.: Fomban'ny olona misanehaka, izany hoe misefosefo sy sempotra. tohiny
Fisangaingy: a.: Toetran'ny zavatra misangaingy, miavosa, miavovona, tohiny
Fisangazona: (sangazona) a,: Fomba entina misangazona, mihazona, mifikitra; fihazona, fifikitra. tohiny
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1989