Litera F
Fitakonana: (takona) a.: Fiafenana, fisaronana.
tohiny
Fitakonana: (takona) a: Fiarahana mibata zava-mavesatra.
tohiny
Fitakotrohana: (takotroka) a.: Fipoahana, fidobohana mafy,
tohiny
Fitakotroka: (takotroka) a.: Toetran'ny zavatra mitakotroka, mipoaka, midoboka mafy.
tohiny
Fitakovana: (takovana) a.: Toetran'ny zavatra mitakovana na miendaka matevina.
tohiny
Fitaky: (taky) a,: Fomba entina mitaky na maka ny an'ny tena (na trosa na zavatra nindramina): Manao fitakin'…tohiny
Fitalagaga: (talagaga) a.: Toetran'izay mitalagaga, gaga izaitsizy, talaniona.
tohiny
Fitalagagana: (talagaga) a.: Fampisehoana figagana izaitsizy.
tohiny
Fitalaho: (talaho) a.: Fomba entina mitalaho na mangataka amim-pitarainana, amim-piangaviana fatratra.
tohiny
Fitalahoana: (talaho) a.: Fangatahana amim-pitarainana, amim-piangaviana fatratra. ΒΆ M.h.: Fiambezoana, fitampesoana.…tohiny
Fitalanjona: (talanjona) a.: Toetran'ny olona mitalanjona, maneho figagana fatratra.
tohiny
Fitalanjonana: (talanjona) a.: Figagana variana fatratra.
tohiny
Fitalantalanana: na Fitalantalana (talantalana) a.: Toetran' ny zavatra eo ambony talantalana.
tohiny
Fitalapetrahana: (talapetraka) a.: Fipetrahana atao mivelatra ny lohalika roa ary miforitra manaraka izany ny ranjo ka…tohiny
Fitalapetraka: (talapetraka) a.: Fomban'ny olona mitalapetraka, izany hoe mipetraka, ny tongotra mifanaingina eo anoloana.…tohiny
Fitalapioka: (talapioka) a. : Toetran'ny zavatra mitalapioka, izany hoe mifioka, toy ny tsorakazo akipilipily.
tohiny
Fitalelaka: (talelaka) a.:. Toetran'ny zavatra mitalelaka, be vava fa tsy lalina aty, talesaka.
tohiny
Fitambarana: (tambatra) a.: Fikambanana: Mahatratra aalopolo ny fitambaran'ny mpianatra ao amin'ny lakilasy fahatelo…tohiny
Fitambatambazana: (tambitamby) a.: Fanaovana izay hijerevan'ny olona ny tena, izay hahazoan'ny tena sitraka avy amin'ny…tohiny
Fitambatra: (tambatro) a.: Toetran'ny zavatra mitambatra, mikambana, miharo.
tohiny