Litera F

A B D E F G H I J K L M N O P R S T V Z
Fiadokadoka: (adokadoka) a.: Fomban'ny olona mirehareha, midihindihina, miedinedina. tohiny
Fiadonadona: (adonadona) a.: Fiavonavona, firehareha, fieboebo aseho amin'ny fihetsika. tohiny
Fiadonadonana: (adonadona) a,: Fiavonavonana, fireharehana, fieboeboana aseho amin'ny fihetsika. tohiny
Fiadra: (adra) a.: Fomba entina miadra, mandà, maneso. tohiny
Fiadrana: (adra) a,: Fandavana, fanesoana. tohiny
Fiady: (ady) a.: Fomba entina miady: Hafahafa ny fiadin' ity akoholahy ity, Tokony hiadiana: Ady fiady mihitsy…tohiny
Fiafarana: (fora) a.: Farany, tendrony: Ny fahafatesana no fiafaran'ny zauamananaina rehetra, tohiny
Fiafatrafarana: (afatrafatra) a.: Fitomaniana miharo kiakiaka ary miaraka amin'ny fihetsika miankapokapoka. tohiny
Fiafatrafatra: (afatrafatra) a.: Fitomany miharo kiakiaka sy fihetsika miankapokapoka; fomban'ny olona miafatrafatra.…tohiny
Fiafenana: (afina) a.: Fierena. tohiny
Fiaferana: (afitra) a,: Fijanonana, fiatoana, fialofana. tohiny
Fiafia: a.: Aretina mampitaintaina amin'ny lalan-drano ka mahatonga tsy afaka mivalan-drano. ¶ M.h,: Vato. tohiny
Fiafina: a.: Fomba entina miafina, miery mba tsy ho hita. tohiny
Fiafitra: (afitra) a.: Fomba entina miafitra, mUanona, miato, tohiny
Fiafokafohana: (afokafoka) a.: Hatezerana mitroatra; fisafoahana, fitroarana. tohiny
Fiafokafoka: (afokafoka) o.: Fomban'ny olona miafokafoka, izany hoe tezitra misamonthra; fisafoaka; fitroatra. tohiny
Fiafonafona: (afonafona) a,: Fomban'ny olona miafonafona, izany hoe romotry ny hatezerana. tohiny
Fiafonafonana: (afonafona) a,: Haromotana, fisamonterana, tohiny
Fiahanahanana: (ahana) a.: Fisalasalana, fiatoatoana matetika. tohiny
Fiahiahiana: (ahiahy) a.: Fiheverana olona iray ho tsy dia tsara loatra, ka misy antony ihany inahatonga izany. tohiny
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0814