Litera F
Firedahana: (redaka) a.: Toetran-javatra misy lelafo mijoalajoala.
tohiny
Firedareda: (redareda) a.: Toetran'ny afo miredareda.
tohiny
Firedaredana: (redareda) a.: Firehetana misy lelafo miioalajala sy maharitra.
tohiny
Firediredena: (rediredy) a.: Fitenitenenam-poana tsy misy heviny.
tohiny
Firediredy: (rediredy) a.: Fomban'ny olona mirediredy, miteniteny foana.
tohiny
Firedona: (redona) a.: Toetran' ny zavamaneno maneno indray miaraka, toetran'ny hira ezahina indray miaraka. tohiny
Firedonana: (redona) a.: Fanenoana miaraka, fihirana na fikiakiavana mafy indray miaraka.
tohiny
Firefahana: (refaka) a.: Fitaritaritan'ny akanjo mifafa amin'ny tany.
tohiny
Firefotana: (refotra) a.: Firiatana, fitefohana; fipoahana.
tohiny
Firehafana: (rehaka) a.: Fiderana tena izaitsizy.
tohiny
Firehetana: (rehitra) a.: Fiterahana lelafo sy hafanana; fisafoahana; hamaivain'ny hidihidy.
tohiny
Firehofana: (rehoka) a.: Fandrahonana amin-katezerana.
tohiny