Eskomonie | : | (f r. excommunié) a : Teny enti-milaza ny katolika noroahin'ny Eglizy noho ny heloka bevava vitany.
Ahitsio |
Eso | : | a. : Fanaovana tsinontsinona, fanamavoana : Tsy tantiko ny eson'ny mpanankarena ka aleoko mitokantokana ad ambanivohitra. ¶ M.h. : Tebaka, fanebahana, fanatsizarizariana, zimba, fanazimbana, famotsifotsiana. ~ Fanarabiana, famazivaziana, dokadoka hamazivaziana, ihomehezana : lsaky ny mandalo ilay mandringa dia matin'ny eson'ny zanakao amin'ny farahehy. ¶ M.h, : Haraby, vosobosotra, famazivaziana, famosobosarana. i tif, : Esoina, voaeso / maneso, faneso, mpaneso / anesoana,fanesoana.
Ahitsio |
Esoina | : | (eso) mt.ih. (esoy) : Tebahina, atao tsinontsinona : Matetika esoin'ny mpanankarena ny mahantra. ~ Harabina, vazivazina, ihomehezana : Tsy handalo eo intsony aho, hoy ilay mandringa, fa esoin' ireo ankizy ireo ataony hoe : Raha mandringa daholo ny tongotrao roa, dia ho toy ny an'ny olondrehetra ihany ny fandehanao.
Ahitsio |
Esona | : | a. : Fofon'aina somary lavareny eo ampatoriana avoakan'ny orona toa fenofeno; tsy mafy ohatra ny erotra izay feo mitrotroka sy toa mitrona mihitsy aza ny esona. 1 t.i, f, : Miesona, fiesona, mpiesona j iesonana, fiesonana.
Ahitsio |
Esorina | : | (esotra) mt.ih. (esory) : Alana amin'ny toerana misy azy : Esory ity vatankazo ity fa manakan-dalana. ~ Ahena, alana : Roanjato no nesoriny tamin'ny karamako. ~ Roahina, alana amin'ny raharaha : Nesorin' ny fanjakana ilay benitanàna tatsy ananona fa nanodinkodina volam-bahoaka.
Ahitsio |
Esotra | : | ft. : Enti-milaza fanalana zavatra amin'ny toerana iray, fampihenana... - t.i.f. : Esorina, voaesotra ! manesotra, fanesotra, mpanesotra / anesorana, fanesoranaj miesotra, fiesotra, mpiesotra / iesorana, fiesorana / mahesotra.
Ahitsio |
Espaniola | : | (fr. Espagnol) a.: Ny firenena tompon-tany any amin'ny tanin'i Espaina: 0-lona mafana ra ny Espaniola. 1 p.t.: Mikasika an'i Espaina , an'i Espaina na avy any Espaina: Manara-ba mailamailaka izay ny dihy espaniola.
Ahitsio |
Esy | : | t.'p. : Enti-milaza fahakiviana na faharerahan-tsaina ambony ihany, tsy ahafahana manao zavatra iray : EsY! aoka ihany aho hipetraka eto! / Esy! hataoko ahoana no fangataka izany aminy ?
Ahitsio |
Etaketaka | : | a. : Rehareha, rehaka, hakevohana aseho amin' ny fihetsika toa miedinedina. ¶ M.h. : Edinedina, sitisity, tikintikina. - t.i.f. : Mietaketaka, fietaketaka, mpietaketaka j ietaketahana,fietaketahana,
Ahitsio |
Etena | : | (ety) mt,ih. (eteo) : A-tao ety kokoa : Eteo kely ny tanan'akanjoko.
Ahitsio |
Etiketika | : | a : Fireharehana amin'ny zavatra madinika; eboebo. - t.i.f. : Mietiketika, fietike. tika, mpietiketika / ietiketehana, fietiketehana.
Ahitsio |
Eto | : | p.mt. : Milaza toerana tokana eo amin'ny misy ny te-na mihitsy, mifamaly amin' ny ato raha tsy taxa-maso,ary mifanohitra amin'ny ety kosa, fampiasa raha toerana malalaka no lazaina : Mijandna eto an-trano ianao. (Mipetraha ato an'efitra atsimo. / Mahafinaritra ny monina e-t9 ambanivohitra). Momba ny fiverenany indroa sy ny milaza ny lasa, jar. Eo. - t.i.f. : Manketo, mpanketo. ? F,-p, : Eto ho eto : milaza toerana tsy tondroina marina' fa tokotokony fotsiny : Tsy fantatro marina fa eto ho eto no misy ny tranon-dry Rabevokatra.
Ahitsio |
Etoana | : | p,mt. : Mitovy hevitra amin'ny hoe eto saingy fampiasan' ny olona amin' ny kabary raha tiana ho lavalava fa tsy hentitra loatra ny teny amin'ny fandaharana : Vory etoana isika mianakavy.
Ahitsio |
Eton-draratra | : | a. : Zavona antoandro fahita amin'ny hainandro berehefalohataona.
Ahitsio |
Etona | : | a. : Setroka. ~ Gaza avy amin'ny rano ampangotrahina, izay vao mitehika amin' ny zavatra mangatsiaka, toy ny takotra, dia miverina ho rano indraY. ¶ M.h. : Fofon-drano, tf t.i.f. : Etonana, voaetona j manetona, fanetona, mpanetona j anetonana, fanetona / mahetona.
Ahitsio |
Etonana | : | (etona) mt.ih. (etony) : Setrohana.
Ahitsio |
Etony | : | p.mt. : Milaza sy manondro ny toerana misy ny tena na eny akaiky.
Ahitsio |
Etra | : | a. : Fehikibo. 1 tif, : Etrana, voaetra j mietra, fietra, mpietra j ietrana, fietrana / mahetra.
Ahitsio |
Etrana | : | (etra) mt.ih. (etrao) : Asiana fehikibo : Etrao ny pataloan'io zaza io fa miborotsoka.
Ahitsio |
Etrena | : | (etry) mt.ih, (etreo) : Ampidinina, ahana ny haavony.
Ahitsio |