Doana | : | ft. : Enti-milaza fandonana mafy, kapoks midoboka izaitsizy. 6 t.if.: Doanana, voadoana 1 mandoana, fandoana, mpandoana 1 andoanana, fandoananal mahadoana.
Ahitsio |
Doanana | : | (doana) mt. ih. (doany) : Kapohina, velesina mafy araka ny aina.
Ahitsio |
Doany | : | a. : Toerana misy ny fasa-mpanjaka sakalava izay ivavahana angataham-pitahiana.
Ahitsio |
Doany | : | na Ladoany (fr. doua-ne) a. : Vola aloa ho fadintseranana. / Sampan-draharaham-panjakana maka ny fadin-tseranana.
Ahitsio |
Doba | : | p. t. : Bota be sy botrefona ( mitovy hevitra amin' ny Dobarabe, saingy miborabora malemilemy).
Ahitsio |
Dobàka | : | p. t. : Misafoaka noho ny hatezerana fa tsy mahatsindry fo. • Ngeza sy vaventy ary makadiry.
Ahitsio |
Dobarabe | : | p. t. : Bolangina sY vaventy ary matavy sy botref ona.
Ahitsio |
Dobebaka | : | p, t. : Mivelatra sy makadiry ny vavany.l Botetaka, mipetraka mibahantoerana noho ny hatezerana. 1 t.i.f. : Midobebaka, fidobebaka, mpidobebaka 1 idobebahana, fidobebahana.
Ahitsio |
Dobibika | : | a. : Fivangongoan-javatra betsaka tsy misy ilana azy ; fitobian-javatra tsy dia manahoana. - t.i.f. : Adobibika, voadobibika / manadobibika,fanadobibika, mpanadobibika I anadobibihana, fanadobibihana.
Ahitsio |
Dobo | : | a.: Lavaka ihandronan' ny rano, izay mazàna vitantanan'olombelona, fa tsy tahaka ny kamory na ny farihy, izay vita-Nanahary : Nanao dobon-trondro anankiroa izahay ers) amin'ny tanin'anana. 1 Farihy kely : Misa dobo kely ao andrefantranonay. M.h. : Farihy, kamory, ranovory, ranomihandrona, antara, heniheny, hetrina, honahona, hotsaka, petsapetsa, matsabory.
Ahitsio |
Dobodobony | : | p, t. : Dongadonga ; entina milaza indrindra ny zana-borona matavitavy tsy mbola tonga elatra tanteraka.
Ahitsio |
Dobofoka | : | a. : Jar. Dabofoka.
Ahitsio |
Dobohana | : | na Dobofana (doboka) mt. pdr. (dobohy na dobofy) : Velezina mafy ka miteraka feo migoboka izany : Nodobohany (na nodobofany) totohondry ny lamosiko.
Ahitsio |
Doboka | : | ft.: Enti-milaza fijanonana, fipetrahana elaela amin'ny tany na toerana iray. i t.i.f. : Adoboka, voadoboka, tafadoboka / midoboka, fidoboka, mpidoboka / idobohana, fidobohana / mahadoboka.
Ahitsio |
Doboka | : | a. : Feon-javatra midafoka, mipoaka, ka mirohana sy migoboka. 1 Faon' ampongabe velezina na ny zavamaneno sy ny feon'ny olona manao feo ambany dia ambany : Henonao izany dobok'amponga izany ? i t.if. : Dobohana, dobofana, adoboka 1 mandoboka, fandoboka, mpandoboka 1 andobohana, fandobohana 1 midoboka, fidoboka, mpidoboka 1 idobohana, fidobohanaldobodoboka.
Ahitsio |
Dodadoda | : | a. : Firehetan'ny a-fo misy kitay betsaka, midedadeda. - t.i.f. : Adodadoda, voadodadoda 1 manadodadoda, fanadodadoda 1 anadodadodana, fanadodadodana I midodàdoda, fidodadoda / idodadodana, fidodadodana.
Ahitsio |
Dodadoda | : | p. t. : Mandanilany foana ny ananana, mirobaroba izay ananana, mandany tafahoatra : Dodadoda loatra iny zanakao iny. - t.i.f. : Adodadoda, voadodadoda 1 manadodadoda,fanadodadoda, mpanadodadoda I anadodadodana, fanadodadodana 1 midodadoda, fidodadoda, mpidodadoda 1 idodadodana,fidodadodana.
Ahitsio |
Dodadodaina | : | (dodadoda) mt. ih. (dodadoday) : Lanina haingana, atao majifa poatoizay.
Ahitsio |
Dodana | : | p. t. : Forehitra sy may, kila, miredaka. : Dodana ny fanaka rehetra tao amin'ilay trano may. ? H. o. : Maika dia maika, may.
Ahitsio |
Dodo | : | Dodododo a. : Fahatongavana maika dia maika ; firohotana haingana hila vonjy na hampiseho fiaraha-mifaly na fiaraha-miory. - t.i.f : Adodododo 1 midodododo, fidodododo, mpidodododo / idodododoana, fidodododoana.
Ahitsio |