Bokatraka | : | Jer. Bokatra.
Ahitsio |
Bokeoke | : | (Skl) a.: Vorompotsy.
Ahitsio |
Bokitra | : | a.: Fibontsinana, fibohirana. - t.i.f : Manabokitra, fanabokitra, mpanabokitra / anabokirana, fanabokirana / mibokitra, fibokitra / ibokirana, fibokirana / mahabokitra 1 bokitrakitra.
Ahitsio |
Bokitse | : | (Ski) a: Nofo ao anatin'ny voan-tsatrana Lena.
Ahitsio |
Boko | : | a: Zavatra boribory izay matetika hita eny amin'ny lohan-javatra: Ny bokon'ny haro fanin -tohatra. - t.i.f.: Mibokoboko, fibokoboko,bokony,
Ahitsio |
Bokony | : | a.: Ravina mihorona ary tonga boribory, na ny vonin'ny tsimo-kazo mbola tsy mivelatra: Bokon-daisoa.
Ahitsio |
Bokotra | : | d.: Zavatra vita tamin' ny tandroka na hazo na nifin'elefanta voamboatra boribory ka apetaka amin'ny akanjo mba hanidiana ny laniny roa aminy misaraka: Boko-palitao. • Lava-bokotra: lavaka atao amin'ny akanjo izay zairina ny sisiny ary atao hidin'ny bokotra. - H. i.: Zavatra boribory fampandehanana ny vata fandraisam-peo sasantsasany: Ahodino ny bokotra fa tsy tiako izany hira izany.
Ahitsio |
Boky | : | (Ski) a.: Biby mampinono mpamono voalavo.
Ahitsio |
Boky | : | (angl. book) a.: Ravintaratasy maro misy sora-pirinty voatambatra ho iras: Ny boky no ioharanom-pahalaiana sy fahaizana. / Manoratra boky / Manonta boky. - F.-p.: Miondam-boky: enti-milaza izay tsy misaraka amin'ny boky, tia fianarana, tia vakiteny.
Ahitsio |
Bola | : | a.: Teny enti-milaza vaingana boribory tanteraka.
Ahitsio |
Bolaky | : | a,: Fampakarana zavatra hiainga, ka toy izao ny toetoetran'ny fiasany: misy mahazaka mihodidina vy boribory lavalava, izay mirotsaka an-daniny roa avy ny tendrony anankiroa, ka raha sintonina ny laniny iras dia miakatra kosa ny zavatra a-tao eo amin'ilay laniny faharoa.
Ahitsio |
Bolaly | : | a.: Fikorisana noho ny tany malemy, bolasitra, bolisatra. - t.i.f.: Abolaly, / mibolaly, fibolaly, mpibolaly.
Ahitsio |
Bolan-tany | : | a.: Anarana omena itf tany onenantsika itf a- min'ny maha-planeta azy, i- ray amin'ireo sivy mihodidina ny masoandro; miendrika bola somary fisaka eo amin' ny tendrony roa ny bikany, ka mirefy 6.378.388 m, ny tanany mankany amin'ny ekoatera, ary 6.366.912 m. ny mankany amin'ny tendron-tany.
Ahitsio |
Bolangina | : | p. t.: Vaventy sadY salama, dongadonga matavy: Tovolahy bolangina no hitan'ny masoko niditra ny varavarana. - t.i.f.: Mibolangina, fibolangina / mahabolangina / bolangindangina.
Ahitsio |
Bolasirana | : | (bolasitra) mt. ih. (bolasiro): Akorisa.
Ahitsio |
Bolasitra | : | a.: Mitovy hevitra amin'ny Bolisatra.
Ahitsio |
Bolée | : | (t, tr.) a.: Zavatra Lasa na very tsy tokony hotsarovana intsony.
Ahitsio |
Boletaka | : | p, t.: Kely sady iva, midina hifotetaka: Boletaka loatra itS latabatra it9 ka tsy azo anoratana. - t.i.f.: Miboletaka, fiboletaka.
Ahitsio |
Boletaleta | : | p. t.: Enti-milaza clona fohy zenizeny vaventiventy ka miresaresa, tsy kinga rehefa mamindra. - t.i.f.: Miboletaleta, fiboletaleta / iboletaletana, fiboletaletana / mahaboletaleta.
Ahitsio |
Bolia | : | Boliaka p. t.: Enti-milaza ny maso misokatra mazava tsara mahafinaritra: Bolia maso, bolia manoro: teny fahita amin'ny angano, ilazana olona izay tsy misy zavatra tsy fantany. - t.i.f.: Miboliaka.
Ahitsio |