Litera B

A B D E F G H I J K L M N O P R S T V Z
Boto: a.: Zazalahy kely : Nifaninana hazakazaka ny boto kely ka nahafinaritra eny+ ny nijery azy. • Mpiasa…tohiny
Boto: a.: Volo mivondrona kely toa sanga eo an-tampondohan'ny vorona sasany. tohiny
Botrabotra: p.t.: Dongadonga vaventy sady botrefona (tsy fiteny afa-tsy amin'ny ankizy). tohiny
Botraika: a : Di-doha, fanaovan-javatra an'aina, an-kery fotsiny, fa tsy mitady izay mety hahasoa hahatsara aradrariny…tohiny
Botrefona: p.t.: Sady matavy dongadonga, botrabotra, no matanjaka : Zazalahy kely botrefona. tohiny
Botretra: p, t.: Kely, mbola bitika, tsy mahavoa-tena irery : Zaza botretra. tohiny
Botrina: (botry) mt.ils. (botrio) : Atao tonga botry, mahantra : Dia hobotrinao izany i dadatoanao amin'ny filafihanao…tohiny
Botry: p.t.: Fohy, zeny, tsy mitombo intsony : Hazo botry. / Zazavavy botry kely. • H.o. s Tsy manana, lany…tohiny
Botry: a.: Lakana lehibe izay misy voizina na entin'ny lay na mandeha amin'ny herin' ny milina. tohiny
Botsake: (Ski) p.t : Enti-milaza ny olona malemy valahana ka mivalan-drano matetika. tohiny
Botsatsaka: p.t.: Fotsy dia fotsy manakaiky ny bobo. tohiny
Botsiaka: p.t.: Fotsy dia fotsy, fotsy madio tsy misy loto. tohiny
Boty: a.: Lalana tery. tohiny
Boty: p.t.: Kely, madinika, tsy lehibe na be vava : Karama boty ; hala-boty. tohiny
Bove: na Bovey (fr. bouvet) a : Hazo misy andahiny sy ambaviny ka afaka mifampiditra atao gorodona : Vita…tohiny
Bozaka: a : Anarana ilazana ny karazan'ahitra ankapobeny : Lasa naka bozaka hatao kitay i Soa. - F.-p. : Bozaka…tohiny
Bozenizeny: na Bozeny (ft.) p. t.: Fohy vaventy ary mbola iva indray noho ny zeny fotsiny : Bozenizeny kely iahy…tohiny
Bozy: a.: Anaram-bosotra fiantsoana mazàna ny zazavavy kely : Andeha mantsaka, ry Bozy a tohiny
Bozy: a : Fiasan'ny dokotera entina hangaronana fery na ny lalan-drano amin'ny tenan'ny olombelona mba hampandehanana…tohiny
Bozy: na Bojy (Ski) a : Kabaro andrahoina tsy misy fangarony. tohiny
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0459