Litera A
Angaroa: a.: Zavamaneno tsofina, mitovy amin'ny antsiva (akorandriakan - dranomasina) fa kelikely kokoa. Ny mpanjaka…tohiny
Angarorana: (Btm) a.: Bibikely sahala amin'ny tsipeko.
tohiny
Angatahina: (hataka), mt, ih. (angataho): Iangaviana mba homena ny tena: Inona no angatahinao ?
tohiny
Angatra: a.: Fisehoan'ny fanahin'ny olona maty — na biby koa aza — izay mihelohelo manodidina ny velona ary mety…tohiny
Angatra: a.: Tsy fanaovana ara-ka ny rariny fa manome tombony na hitsiny ny hafa tsy tokony homena, na tsy manome…tohiny
Angatra: a.: Aretin'ny fantson' ny lalandrano amin'ny tenan'ny olombelona, izay vokatry ny mikraoba iray azo…tohiny
Angavodiana: a.: Hazo madinidinika fanao ody hatina sy ody fery ny lavenon'ny raviny dorana (Agauria salicifolia).…tohiny
Angavy: ft.: Enti-milaza hevitra fangatahana mafy. - t.i.f.: miangavy, fiangavy, mpiangavy / iangaviana, fiangaviana.…tohiny
Ange: Kian-teny kely enti-manintona ny sain'olona iresahana ka mitaona azy amimpiangentsanana kely hanao zavatra…tohiny
Angeafotsy: a.: Zavamaniry misy poizina atao famonoana bibikely (Crotolaria ibityensis).
tohiny
Angefa: p. mt.: Mitovy amin' ny anefa, nefa, andrefa, kandrefa (jer. ireo); fampiasan' ny ankizy indrindra kosa.…tohiny
Angelingoaika: a.: Karazan' gely maintimainty volo.
tohiny
Angelinkary: a.: Karazan'angely mivelona ao an-trano, indrindra fa ao amin'ny entra-no fandrahoan-tsakafo.
tohiny